Toe-karena: Maherin’ny 300 ireo manam-pahaizana handrasana amin’ny SIAE 2023 faharoa
Dépêche 31 mai, 13h, Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny Salon International des acteurs économiques (SIAE) ny mpikarakara amin’izao fotoana izao. Maherin4ny 300 ireo manam-pahaizana handrasana amin’io amin’ity andiany ity, manam-pahaizana avy amin’ny firenena isan-karazany. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika ny 1 hatramin’ny 4 jona izao. Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny fihaonana sy ny fifanakalozam-bola eo amin’ny samy mpilalao ara-toekarena, amin’ny alalan’ny famporisihana ny fifaneraserana mba hanomezana izay ilain’ny mpandray anjara tsirairay avy. Maro ny fandaharam-potoana azo hararaotina mandritra ny salon azon’ny rehetra vonjena. Miisa 88 ihany koa ireo tgrano heva azo tsidihina.
