Famaranana ny volan’ny tenin-dreny
01 Jolay, 08h00. Teny amin’ny Distrika Ambohidratrimo no namaranan’ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina ny 30 Jona lasa teo ny fankalazana ny iray volan’ny tenin-dreny. Ny seho kabary sy tononkalo, ohabolana, angano, vakodrazana no nanamarihana azy niaraka tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Distrika.
