Dépêches

Sosialim-bahoaka : Barikadimy Toamasina

Nahitana andian’olona nangady indray ireo vary simba sy lo ary efa mamoaka fofona maimbo tany barikadimy Toamasina, alina nanomboka tamin’ny 9 ora teo. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana moa izy ireo tamin’ny 11 ora alina teo, ka vaky nandositra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina, izay nahatratrarana vehivavy mitaiza kely maromaro, beantitra, tanora ary ankizy madinika misakelika harona sy milanja angady ary mivimbina kaopy, niafina tanaty lobolobo.

Laisser un commentaire