SocialTatitra

Costa Rica: Nikatona ny valan-javaboaary, biby manodidina ny 300 isa nafindra toerana

Niara-nientana ireo polisy, mpitsabo biby ary ireo mpiasa avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, tao Costa Rica tamin’ny famindrana ireo biby manodidina ny 300 isa, noho ny fikatonan’ny valan-javaboaary miisa roa any an-toerana. Jaguar, voay, gidro, paresseux ary karazam-biby samy hafa no voatery nalàna tao an-toerana ka nafindra any toeram-ponenana hafa, izay voatokana hanarenana ny biby sy ny zava-maniry indray, antsoina hoe “Zoo Ave”, any amin’ny faritra mivoaka ny renivohitr’i Costa Rica.  Marihina fa valan-javaboaary tsy azon’ny daholo be tsidihina ity namindrana ireo biby ity, mba ho fiarovana azy. valan-javaboaary roa an’ny fanjakana any an-toerana no efa nikatona hatreto.

Laisser un commentaire