ActualitésTatitra

Kenya : Roy Allela, lehilahy namorona « gants intelligents » ho an’ireo manana olana ara-pandrenesana

Injeniera sy mpamorona i Roy Allela, 25 taona. Mpandraharaha ihany koa izy izay namorona « gants intelligents » ireo manana olana ara-pandrenesana. Raha ny marimarina kokoa dia entina hanamorana ny fifandraisana eo amin’ny manana olana ara-pandrenesana sy ny olona maheno tsy mahay teny tanana io fitaovana io.

Afaka mamadika ny baiko moana ho lasa feo mantsy io fonon-tanana antsoina hoe «Sign-IO » io. Ny zanak’anabaviny 6 taona izay narenina fony vao teraka no haingam-panahin’i Roy Allela tamin’io fitaovana io. Mandeha amin’ny alalan’ny Bluetooth mifandray amin’ny finday Android kosa ny «gants Sign-IO ».

Laisser un commentaire