Fahasalamana : Efa naparitaka nanerana ny faritra ny GenExpert
Fitaovana GenExpert miisa 46 no naparitaka nanerana ny faritra maro eto Madagasikara. 20 hafa no efa andalam-pizarana amin’izao fotoana izao.
« Ny Genxpert dia paik’ady iray hanaparitahana ny fitaovam-pitiliana ny aretina covid-19. Izany no natao dia mba hanapahana ny rojom-pifindran’ny aretina sy hahafahana mandray an-tanana mialoha ny tranga. Hisorohana ny tranga misy fahasarotana izay mety hitarika famoizana aina mihitsy » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana. « Nofanina avy hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana mpikirakira ireo fitaovana ireo. Ny teknisianina avy eo amin’ny laboratoara LA2M no nitarika izany. Efa atao ny ezaka rehetra hiarovana ny vahoaka Malagasy manoloana ny valan’aretina coronavirus » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Mila manaja hatrany fepetra isika vahoaka. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamanay ny tsirairay. Ny fanjakana manampy amin’ny maha fanjakana azy fa isika vahoaka no tena heriny » hoy i Rija, mpahay fiaraha-monina.
Tsara tokoa raha manaja hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka isika indrindra ny tokony hanaovana arotava.
Nicole Rafalimananjara
