ActualitésTsidika

Alasora : Ho amboarina ny lalana eo Ankafy mankany Angavao

Namoaka filazana ny kaominina Alasora mikasika ny fanamboaran-dalana. Mandritra ny 3 volana ny fanamboarana ity lalana ao Ankafy makany Angavao mirefy 513 metatra.

« Manomboka ny 18 janoary hatramin’ny 18 martsa 2022 izao ny fanamboarana ity lalana ity. Samia mifampilaza fa hisy ny fahatapahany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Miaritra kely mandritra ny telo volana isika vahoaka. Afaka mampiasa azy kosa mandritra ny fotoana rehetra aorian’izay. Mahafinaritra tokao raha vita ity lalana izay efa nampimenomenona ny mponina ity » hoy i Vania, mponina ao Alasora.

« Mahafinaritra ny mahita ny mpitondra eny ifotony miasa hatrany tahaka izao. Betsaka mantsy ny mpitondra sasany tsy manao afatsy ny raharaha ao amin’ny kaominina ihany toy ny fanaovan-tsonia » hoy i Gilbert, mpahay toe-karena. Faly tokoa ny mponina hisitraka ity lalana ity. Manahirana mantsy ny fifamezivezena rehefa ratsy ny andro ary rehefa ratsy manaraka izay ihany koa ny lalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire