Ministeran’ny Angovo : Miverina ny fahatokisan’ny mpamatsy vola
Tsy ho ela intsony ny fametrahana toeram-pamokarana herinaratra na « sous-station », miainga eto Antananarivo ary hipaka hatrany Toamasina, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo. Hiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny famatsiam-bola izany ny banky iraisam-pirenena sy ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana. Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’io toera-pamokarana io ka tsy hanana fahasarotana intsony ny tsirairay amin’ny resaka fahazoana herin’aratra.
Nandritra ny fihaonan’ny Minisitry ny Angovo, Andry Ramaroson, sy ny manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny angovo, Justin Beleoken, avy ao amin’ity banky ity. Miverina indray noho izany ny fifampitokisana eo amin’i Madagasikara sy ny mpamatsy vola amin’ny sehatry ny angovo. Misy vokany lehibe eto amin’ny firenena Malagasy izany fiverenan’ny fifampitokisana izany indray ka hinoana fa tena hampandroso tanteraka ny Nosintsika.
« Mba ny rehetra no hisitraka an’izany fampiasana herinaratra izany fa tsy hoe ireo izay any amin’ny tanàn-dehibe ihany » hoy i Jules, mponina ao Brickaville. « Hampitombo ny fandaniana efa tsy arak’ireo olona ao an-tokantrano indray izany ka tsy mety. Ny sakafo hohaniny ary mila tsy ho arany indraindray » hoy kosa i Florine, renim-pianakaviana ao Salazamay. Natao indrindra izao hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo mba « hivelatra amin’ny fanokafana foibem-piofanana mahakasika ny herinaratra mekanika, ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro sy azo avy amin’ny rano, ny famatsiana hoentin’ireo mpiara-miombon’antoka ireo ».
Ilaina ny fahakingan-tsaina ary mila araraotina ny zavatra mandalo toy izao hampandrosoana an’i Madagasikara. Kanefa tsy mora ny manatanteraka izany ary tsy ho vitantsika samirery ka ilàna ny fiaraha-miasan’ireo amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Noho izany, tetikasa toy ny inona avy no mety ho vita avy amin’io toeram-pamokarana herinaratra io ?
Miangaly Rasoamihajamanana
