ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Rano nolotoin’ny olona ihany no sotroiny avy eo

Efa betsaka ny fitarainana manoloana ny fandotoana ny ranon’Imamba any Sabotsy Namehana. Ny mampalahelo anefa dia avy amin’io renirano io ihany no sintomin’ny Jirama eny Ankadikely ka zaraina amin’ny mponina ao Avaradrano rehetra.

« Mila mandray andraikitra ny manam-pahefana ao Sabotsy Namehana, toy ny nataon’ny tany amin’ny kaominina Tanjombato manoloana ny ranon’Ikopa » hoy i Miranto, mpianatra mikasika ny rano sy ny « assainissement ». « Rano sotrointsika kanefa isika ihany no minia manary maloto sy fako maro hafa ao. Aiza àry izany toe-tsaina lomorina izany ?  » hoy i Freda, mponina eny Sabotsy Namehana. « Tsy hay hoe mbola manana ben’ny tanàna ve i Sabotsy Namehana ? Ny kaominina maka ticket amin’ireo tsena ireo fotsiny dia mahazo vola dia lasa fa tsy mba mandray ny andraikiny akory kanefa izy no tena tompon’ny andraikitra voalohany » hoy i Tatiana, renim-pianakaviana, monina any Sabotsy Namehana.

Miantso ny tompon’andraikitra mba handray ny andraikiny, na ny mponina eny amin’ny manodidina izany, na ny mpiasan’ny Kaominina, na ny fanjakana foibe mihitsy satria fahasalamam-bahoaka io. Raha olona iray kosa ve no manao ny ataony dia Avaradrano iray manontolo no hahita faisana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire