Maurice : Nisokatra ny sisin-tany
Nisokatra ny zoma teo ny sisin-tanin’ny nosy Maurice. Efa herinandro maromaro no nambaran’ireo manam-pahefana tao an-toerana izany ary namafisiny ny volana aogositra teo. Mbola ireo olona efa vita vaksiny ihany nefa no mahazo mihazo ny ny fiara-manidina. Mihiboka 14 andro kosa izay mikasa andeha fiaramanidina nefa tsy mbola nahavita izany ary atao fitiliana PCR in-droa. Marihina fa efa 797 565 ny olona nahavita vaksiny feno ao an-toerana ary 852 268 no nahavita vaksiny andiany voalohany.
