Nisy boky efa naminany ny faharendrehan’ny Titanic
Nanainga fanahy mpanoratra maro ny tantaran’ny Titanic. Nisy boky nefa efa nirakitra io zava-niseho tao Atlantique avaratra tao Terre-Neuve io, 14 taona talohan’ny nisehoan’ny loza. Ny alin’ny 14 hatramin’ny 1912 no rendrika ny sambo Titanic. Ny taona 1898 kosa no nivoaka ity boky voalaza fa naminany ny zava-niseo ity. « Futility » na « The wreck of the Titan » no lohatenin’ity boky ity ary Morgan Robertson no nanoratra azy.Titan no anaran’ilay sambo rendrika ao amin’ny tantara, mirefy 244 metatra izy raha mahery 25 metatr’izay fotsiny ny sambo Titanic. Nifandona tamin’ny bolongan-dranomandry ihany koa ny Titan ao amin’ny boky ary tsy ampy ihany koa ny lakana namonjena ireo mpandeha tao amin’ny toy ny zava-niseho mihitsy. Nisy andian-dahatsoratra voarakitra tao amin’ny boky ihany koa re nandritra ny faharendrehan’ny Titanic raha ny fanazavana. Nitovy ihany koa ny volana nisehoan’ny loza ao amin’ny tantara sy ny tena nisehoany, samy tao Atlantique avaratra ary samy tamin’ny fahainganam-pandeha 45km/h.
