ActualitésTatitra

France : « Bunker » tamin’ny ady lehibe faharoa navadika trano hofaina

Mponina iray tao Saint-Pabu ao Finistère no namadika ity bunker (toeram-pisitrihan’ireo miaramila, mazaka fipoahana lehibe) ity ho trano hofaina. Efa mpankafy « bunker archéologie » ity lehilahy ity ary nahafoy fotoana maromaro mihitsy namadiana ny toerana ho trano azo hipetrahana. « Olona valo no nandio ny toerana tao antin’ny roa volana » hoy izy. Efa tamin’ny taona 1943 kosa no teo an-toerana ity « bunker » namboarin’ny allemand ity raha ny fanazavana, ary « Blockhaus L479 » no fiantsoana azy.Misy rihina roa ny trano, mirefy 23 metatra ny halavany ary 18 metatra ny sakany. Efa misy efitra fandraisam-bahiny ao aminy, toerana fisakafoana, lakozia ary efitra fatoriana. Tsy misy varavaran-kely kosa nefa ny trano noho ny hatevin’ny rindrina sy ny « cloison ». « Système de ventilation » noho izany no ampiasaina ary ny tafo no misy fivoahan-drivotra kely.

Laisser un commentaire