ActualitésTsidika

Ny foko Betsileo

Mivelatra ny foko Betsileo eto Madagasikara : Ambositra, Fandriana, Ambohimahasoa, Fianarantsoa ka hatrany Ambalavao iny dia Betsileo daholo ny mponina ao na misy karazana hafa aza.

Isan’ny foko mora mandray olona ary tena miresaka ka izany no mahatonga ny betsileo mahay mivarotra. Maranintsaina ary manana manampahaizana maro. Toetra tsara hananan’ny Betsileo ny mananja vady ka maro ireo maharitra tokantrano. Tia namana koa ny foko betsileo ary tia mifety ary mifety tokoa ry zareo rehefa misy ny firavoravoana ary miantsa na hoe mirango miharo tehaka mihitsy aza. Hita sy tsampa ihany koa fa ny fahafatesana dia tena ahitana ny alahelon’ny Betsileo ary asehony amin’ny fihetsika izany na ny fomba fiteny, ny hira na zafindraony izay ataon’ny Betsileo mandritran’ny misy fahoriana. Tia mivavaka koa ary katolika no hakamaroany, foiben’ny mihitsiny aza eto Madagasikara. Tsy atoro fa hita fa tia misotro toaka ohatrin’ny olombelona rehetra ihany ary galeoka sy divay ary ambodivoara no tena malaza any antoerana.

Tia miasa vary sy mamboly ary somary botabota tarehy izay izy no manja sy malandy ary mahay madihy kidodo no mbola mitazona ny fomban-drazana. Ny lehilahy betsileo matetika tovolahy ny hakamaroany ary tsy dia mampirafy loatra fa ny misotrosotro.

Tia havana ny betsileo fa ny indro kely aminy mantetika ny tsy mazaka tenenina ary mafimafy resaka rehefa tezitra ka sarotra manahirana indraindray.

Tsara ho fantatra fa maromaro ny foko no mpifato-drà na Mpiziva amin’ny Betsileo ary namany akaiky.

Laisser un commentaire