Hetra : Manao ahoana ny tahan’ny fandovan-ketra ao Alasora ?
Isan’ny miantoka ny fampandehanan-draharaha sy ny fampandrosoana ny kaominina ny fandoavana ny hetra. Tafiditra amin’izany ny hetra trano sy ny hetra tany.
« Marisarisa ny mponina amin’ny fandoavan-ketra noho ny tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny fandoavan-ketra. Eo ihany koa ny fatahorana ny mety ho sazy raha toa ka amin’ny toerana tsy ara-dalàna no nanorenana ny trano » hoy i Rehotrozo Andrew, lefitra faharoa an’ny Ben’ny tanàna ao Alasora. « Misy ireo mazoto mandoa hetra ary manohy izany foana. Eo ihany koa ireo mponina vaovao mahita ny fandrosoana efa vita dia mazoto mandoa hetra ihany koa rehefa mahita ny fiovana eto. Nisy ireto karatra miisa 13 200 ireto omena ny mponina mandoa hetra. Hita amin’ity karatra ity ny tombony amin’ny fandoavan-ketra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
Ho aparitaka amin’ny Fokontany rehetra ity karatra ho an’ny mpandoa hetra ity. Izay mandoa ihany tokoa no mazoto mandoa kanefa iaraha-misitraka ny fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
