SportTsidika

Tanora : Efa mandeha ilay tetik’asa « Ping-pong pour tous à Tana »

Nahazo famatsiam-bola mitentina 300 000 Euros avy amin’ny Ministeran’ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny ny tetik’asa « Ping-pong pour tous à Tana ». Ho entina hanatsarana ny tontolon’ny ping-pong eto Andrenivohitra izany izay volavolain’ny faritra Bretagne.

« Hisy ny fanatsarana ireo fitaovana eto an-toerana toy ny latabatra fanaovana izany, eo ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra. Mila tohanana hatrany ireo mpilalao izany sehatra izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. « Efa nanomboka ny janoray 2022 lasa teo no natomboka ity tetik’asa « Ping-pong pour tous à Tanà » ity. Ny hanohanana ny tennis ambony latabatra mba hisian’ny fampandrosoana maharitra no tena tanjona izay niaraha-niasa tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra » hoy ny GV Hennebont Tennis de Table (GVHTT).

Ilaina tokoa ny fampivelarana ny tanora amin’ny sehatra ara-panatanjahan-tena maro. Mila sokafana hiditra amin’ny tontolo tsara ny tanora.  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire