Alasora: Mitohy ny fisafoana amin’ny alina ataon’ny zandary
Mitohy hatrany ny hetsika fisafoana ataon’ireo zandary avy ao amin’ny brigadin’Alasora.
« Tsy mitsahatra manao fisafoana ny mpitandro filaminana na andro na alina. Manampy ireo andrimasom-pokonolona izy ireo ao anatin’izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena ilaina ny hetsika tahaka izao. Ny hangatahana mba hiparitaka hatreny amin’ny fokontany isam-potony ireo mpitandro filaminana ary hisava hatreny amin’ireo kizokizo sy elakelan-trano satria misy ireo olon-dratsy miafina eny » hoy i Domoina, renim-pianakaviana.
Miara-mifarimbona amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna ny zandary sy ny fokonolona. Ho an’ireo mahita na mahatsikaritra tranga hafahafa moa dia afaka miantso ny zandary amin’ny laharana 0341400954.
