SocialTatitra

La Réunion : Lehilahy lehibe 88 taona voaheloka higadra mandrapahafatiny noho ny famonoany ny vadiny sy ny mpanampy azy

Lehilahy iray 88 taona no voaheloka higadra 20 taona an-tranomaizina noho ny famonoana ny vadiny sy ny mpanampy azy, araka ny sazy nomen’ny fitsarana azy, ny alatsinainy teo. Mpampianatra efa misotro ronono ity lehilahy lehibe ity, ary antony niampangana azy dia ny fihetsika nataony tamin’ny vadiny, 78 taona, izay tratran’ny aretina Alzhéimer. Nilaza izy fa hampitsahatra ny fijalian’ity vadiny marary ity no nanaovany izany fihetsika izany, saingy tsy neken’ny fitsarana tany an-toerana izany fiarovan-tenany izany. Sazy 25 taona an-tranomaizina no nomen’ny fitsarana azy, noho izy voalaza ho nanao herisetra sy nanao didi-jadona tamin’ity vadiny ity. Tao amin’ny trano fonenany ihany no namonoany an’ity vadiny ary fotoana fohy taorian’izay, dia novonoin’ity lehilahy ity ihany koa ny mpanampy azy mivady.

Laisser un commentaire