Asie : Ficus elastica, hazo mamokatra fingotra
Hazo goavana « sempervirent » ao amin’ny fianakavian’ny « Moracées » ny « Ficus elastica » antsoina ihany koa hoe « figuier à caoutchouc ». Ao Asie no tena nipoiran’izy io saingy maro ireo mamboly azy anaty tavim-boninkazo any amin’ny firenena mafana. Mamokatra « latex » ny « Ficus elastica » saingy mihamena an’isa izy nohon’ny fanimban’ny « champignon pathogène ».
Miboiboika ny « latex » ao amin’ny « Ficus elastica », ny rantsany rehetra dia ahitana izany avokoa. Miloko fotsy mangatsakatsaka io tsiranokin’ny « figuier à caoutchouc » io. Efa nandramana namokarana fingotra izany saingy tsy nahaomby. Raha ny marina dia « sève » avy amin’ny « hévéa » no ahafahana mamokatra fingotra amin’ny alalan’io zava-maniry io.
