ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Notokanana ny efitrano fianarana vaovao ao amin’ny LMAI

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanatanterahana ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao ao amin’ny LMAI (Lycée Moderne Ankadikely Ilafy) ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ihany koa ny fitondrana am-bavaka ny taom-pianarana vaovao nandritra izany. Tonga nanontrona izany, araka ny voalaza ireo mpisehatra amin’ny ambaratongam-panabeazana toa ny solon-tena avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny DREN Analamanga, ny CISCO Avaradrano, ny ZAP, ireo Talen-tsekoly E.P.P. sy C.E.G. ao Ankadikely, ireo mpampianatra sy mpandraharahan’ny sekoly, ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra, ny avy eto anivon’ny fiadidian’ny kaominina ary ireo solontenan’ireo Mpanolon-tsainan’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriborintany.

« Mba ahafahana mampitombo ny isan’ireo mpianaratra raisina eto anivon’ny sekoly izay misafidy ireo taranja vaovao, ary ho fanajana ny fenitra mifehy ny fanabeazana moa no anton’izao ezaka fanorenana izao. Ny latsakemboka nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, niampy ny fanohanana ara-kevitra sy ara-pitaovana nataon’ny fiadidian’ny kaominina no nahafahana nisitraka izao fotodrafitrasa izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Ho ezaka fanampiana ireo mpampianatra, mpanabe sy ireo mpianatra, nisy ny fanolorana tohana ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny sekoly. Ireo mpianatra mendrika indrindra sy ny mampianatra ihany koa dia notoloarana mari-pankasitrahana nandritra ny fotoam-pivavahana. Ary ny sekoly moa dia nahazo fanomezana Rakibolana avy amin’ny fitondram-panjakana » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.  

Marihina fa amin’izao fotoana izao dia mpianatra miisa 566 no mandrato fianarana eto anivon’ity sekolim-panjakana iray ity ary misy mpampianatra 40 mahery ary efitrano fianarana miisa 9.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire