Fanatanjahan-tena : Hotanterahina ny fampivondronana ireo Barea mpanampy, handrafetana ny Barea CHAN 2023
Nampivondronan’i Romuald Rakotondrabe ny mpilalao baolina kitra miisa 20 eo ho eo, mba ahafahany manomana sahady ny lisitr’ireo izay ho antsoiny hiatrika ny CHAN 2023. Nanatanteraka fanazaran-tena tao amin’ny kianja Barea Mahamasina izy ireo ny alakamisy teo. Mbola tsy ofisialy izao fampivondronana izao saingy notanterahina foana hahafahana miomana tsara.
« Mpilalao maro avy eto an-toerana daholo ireo nantsoiko ireo. Tsy terena izy ireo fa rehefa mazoto sy afaka aloha dia raisina. Ny tanjona amin’izany dia mba ahafahana mitily mialoha ireo tokony handrafitra ny ekipa satria amin’ny fotoan’ny lalao dia 25 ka hatramin’ny 30 olona ihany no tena ho antsoina. Omena chance ireto voaantso ireto hampiseho ny fahaiza-manaony sy talentany hahafahany miaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fotoana hilàna izany », hoy i Rôrô na i Romuald Rakotondrabe, mpanazatra ireo Barea eto an-toerana.
« Avy amin’ny ekipa maro eto an-toerana ireo antsoina ireo. Misy ny avy ao amin’ny Disciple FC sy ny Tia Kitra. Maro manam-pahaizana amin’izy ireny ka izay indrindra no haintsoana azy hanehoany ny fahaiza-manaony sy hahafahany mitrandraka traikefa maromaro ihany koa », hoy hatrany ny fanazavana.
« Mila miomana amin’ny lalao rehetra ireo Barea ireo. Mila hatao mafimafy ny fanazaran-tena mba hahafahana miady amin’ireo ekipa ireo raha te hibata ny amboara. Mila hatao matetika ihany koa ny fampivondronana ahitana ny fiaraha-miasa tsara eo amin’ny mpilalao tsirairay », hoy i Rina, mpankafy baolina kitra Malagasy nanome toro-hevitra.
Hotanterahina any Algerie amin’ny faha 13 janoary ka hatramin’ny faha 4 febroary 2023 izao ny CHAN 2023. Vondrona C no ahitana an’ny Madagasikara, miaraka amin’i Maroc, Soudan, ary Ghana.
Miora Raharisolo
