ActualitésTsidika

Anjeva : Nisy nikasa handoro ny tanety tao amin’ny fokontany Faliary

Ny harivan’ny alakamisy lasa teo no nisy nikasa handoro ny tanety tao amin’ny fokontany Faliary, ao amin’ny kaominina Anjeva. Araka ny voalaza, ireo mpandalo no nahatsikaritra ny firehetana ka nifampitaona avy hatrany, nifanome tanana namono ny afo. Tsy maty tsara anefa ny afo ka nisy ny fihitarana taorian’izay.

« Andro alina no nifampitaona nifampiantso tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana sy ireo fokonolona mba hamono ny afo. Ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny tranga tahaka izao. Tanindrazana iombonana ka tokony hiara-hisalahy ary indrindra samy sarotiny amin’ny trangana doro tanety » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.

« Tsy fantatra mihitsy ny tanjona mahatonga ny olona mandoro tanety. Mila mihetsika ny rehetra, indrindra fa ny tomponandraikitra amin’ny fametrahana sazy na dina ho anireo izay olona tratra, minia manao ny doro tanety » hoy i Vola, mponina ao Anjeva.

Izay mandro tanety mandoro tanindrazana. Maro ny fahavoazana ateraky ny doro tanety, ary anisan’ny manome fahasahiranana ho an’ny hafa. Tokony ho samy sarotiny ny rehetra, ary hifanentana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire