ActualitésTsidika

Fampandrosoana : Efa napetraka ny tanjona ho an’ny fampandrosoana, ary tokony hotratrarina

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fifanaraham-pamatsiam-bola mitentina 491 tapitrisa dolara ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy eo amin’i Etats-Unis sy Madagasikara, amin’ny alalan’ny USAID. Ity tetikasa ity dia mametraka fifanarahana eo amin’ny roa tonta mikasika ny fampiasana io tetibola fanampiana an’i Madagasikara io, mandritra ny 5 taona izay hifarana ny 30 septambra 2026, ary mamaly ireo tanjon’ny fampandrosoana na ny OD.

« Ny OD 1 dia mikasika ny fahafahan’ny olona mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, hahatongavana amin’ny fizakan-tena. Ny OD 2 : fanatsarana ny tamberin’andraikitra sy fahombiazan’ny governemanta. Ny OD 3 dia fanomezana tombotsoa ara-toe-karena maharitra ho an’ireo mponina sahirana » hoy i Valiha, manam-pahaizana manokana mikasika ny fampandrosoana maharitra.

« Mitovy amin’ireo fifanarahana stratejika teo aloha, nosoniavin’i Madagasikara sy ny USAID izay nitantana ny fanampiana amerikanina ho an’i Madagasikara nandritra ny taona maro ihany, ny firafitr’ity tetikasam-pifanaraham-pamatsiam-bola ity » hoy ireo tompon’andraiki-panjakana.

« Efa betsaka ihany izay fiaraha-miasa sy famatsiam-bola izay, ary mila ho isan’andro mihitsy, kanefa tsy hita izay mba fiatraikany main’ny fiainanay vahoaka ety ifotony » hoy i Clémence, naneho ny heviny mikasika ny fampandrosoana.

Tsy handroso mihitsy ny firenena iray raha tsy misafidy ny handroso ny vahoaka tsirairay avy. Ny mpitondra dia mametraka paik’ady maharitra fotsiny ihany fa ny vahoaka no tena herin’ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire