Tontolo iainana : Mandray andraikitra ny rafitra eny ifotony sy ireo mponina amin’ny fiadiana ny afo any Boeny sy Betsiboka
Mandray anjara amin’ny paik’ady entina miady amin’ny afo ny mpisehatra eny ifotony sy ireo rafitra ao amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka. Efa manana paik’ady matotra mihitsy ny Fokontany roa any an-toerana : Ambodimanga (Maevatanàna II) sy Tsararivotra (Boanamary).
« Nanamafy ny fandraisany andriakitra hatrany ireo sefom-pokontany sy ray aman-dreny ary ny olobe sy ireo tanora any an-toerana ka hanome tanana ny Ministera manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana » hoy ny Ministry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Lafiny iray ny fisorohana ny afo, toy ny fametrahana aro afo, ny fanadiovana ny sisin-dàlana, ny fanentanana an-tsekoly sy amin’ny sehatra maro samihafa » hoy ny sefom-pokontany any Ambodimanga. « Isaorana indrindra ny Ministera amin’ny tantsoroka ara-teknika, izay tsy ampy aty aminay, manoloana izao fiarovana ny tontolo iainana iombonana izao » hoy i Benja, mponina ao Ambodimanga.
Asa iombonana tokoa ny ady amin’ny afo ka tokony hametraka paik’ady ho amin’izany ny Fokontany tsirairay, indrindra ireo any ambanivohitra. Tokony samy handray andraikitra noho iznay ny tsirairay ka ireo tsy manana hery, manana hevitra sy paik’ady na manohana ara-teknika sy ara-pitaovana.
Nicole Rafalimananjara
