Fandriam-pahalemana : Efa mametraka paik’ady ho amin’ny fety ny tompon’andraikitra
Notontosaina tao amin’ny Toby Jeneraly Richard Ratsimandrava ny fivorian’ireo Mpitarika ny EMMO-NAT mahakasika ny fitandroana ny fahalemana mandritra ny fankalazana ny fety faran’ny taona 2021. Niompana tamin’ny tomban’ezaka tao anatin’ny telo volana fahatelo tamin’ny fanatanterahana ny asa eo amin’ny Zandarimariam-pirenena manokana. Niompana ihany koa tamin’ny fandrindrana ny asa mahakasika ny fampandriana fahalemana ny tany ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2021 sy ny fandraisana ny taona vaovao 2022 ny fivoriana.
« Nihena ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny. Tsapa ihany kosa anefa fa nisy ny tranga maro fakana an-keriny tamin’ny Faritra Analamanga sy Betsiboka sy ny Faritra Alaotra Mangoro izay efa nandraisana fepetra manokana » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny EMMO-NAT. « Tsy vita vetivety ny asa manoloana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana toy ny halatr’omby sy ny famotsiana omby halatra kanefa mitohy hatrany ny ezaka ary tsy hikely soroka izahay » hoy ireo avy eo amin’ny Zandariamriam-pirenena. « Miezaka ny mpitandro filaminana ato amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika ary ny Polisim-pirenena manao ireo paikady rehetra mba hahazoana mametraka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny Firenena » hoy hatrany izy ireo.
Efa misy, noho izany, ny toromarika manokana ho an’ny mpisehatra ao anatin’ny fandriam-pahalemana entina iatrehana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona. Antenaina fa hiaina ao anaty fety feno filaminana isika rehetra ary tena hanao ny asany tokoa ny mpitandro filaminana tsirairay.
Nicole Rafalimananjara
