Tsidika

Ankadikely Ilafy : Tontosa ny didimpoitra andiany faharoa

Vita soa aman-tsara ny didimpoitra faobe andiany faharoa izay nokarakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy tamin’ny zomà teo. Zazalahy maherin’ny 100 avy amin’ireo fokontany 18 mandrafitra kaominina no natao hasoavana nandritra ireo andiany roa.

« Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny « Clinique Fidy » no nahafahana nanantanteraka izao hetsika izao. Ho fanamaivanana indrindra ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny no tanjona. Heverina hatrany ny hitohizan’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena hirariana hitohy foana ny tahaka izao. Tena manampy betsaka anay mponina sahirana mihitsy ny toy izao » hoy i Feno, isan’ireo nitondra ny zanany tamin’izany.

Sady soatoavina no fomba tsy maintsy atao amin’ny maha Malagasy ny famorana. Eo anefa ireo tsy manana fahafahana ny amin’izany, iznay no nahatonga ny hetsika faobe tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire