Ambohimanambola : Mifanohana ao anatin’ny baolina kitra ny mponina
Tontosa tamin’ny alahady ny fanokafana ofisialy ny fifaninanana lalao baolina Kitra « Coupe Omby » ao Ambohimanambola. Miisa 33 ireo ekipa mpandray anjara amin’izany.
« Ny ekipan’ny Vohitra Volomborona sy ny vohitra Morarano no nanomboka ny lalao tamin’izany. Nisy ny fanentanana ho an’ireo mpanotrona sy mpilalao rehetra » hoy ny mpikarakara. « Mizara ny talenta ho entina hampandrosoana ny tanàna tokoa ireo tanora. Vonona hanohana hatrany ny tontolon’ny fanatanjehan-tena izahay. Iiska tanora tokoa no andrandraian hanandratra ity tanànantsika ity » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola, Rahagarison Soanantenaina. Tonga nanotrona ity lalao ity ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola rehetra ho fiaraha-mientana, eny fa ny hatrany amin’ny Fokontany aza.
Fotoana hiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ihany koa ity « Coupe Omby » ity. Miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra.
Nicole Rafalimananjara
