Actualités

Russie : Hetsika fo fanohanana ireo vehivavy voafonja ara-politika

Manodidina ny 200 teo ho eo ireo vehivavy nivondrona tao Moscou sy tanàna hafa tany Russie nandritra ny andron’ny mpifankatia teo. Ho fahohanana ireo vehivavy gadra ara-politika any an-toerana ary koa ho fanoherana ny fanararaotana ataon’ireo mpitandro filaminana no anton’ny hetsika. Maharesy ny tahotra ny fitiavana, izany teny izany no nentina nandritra io diabe io. Tian’izy ireo naseho nandritra izany fa mirona any amin’ny fitiavana fa tsy amin’ny fanararaotana no tokony ho hisy. Nanaporofo izany firaisan-kinan’izy ireo izany ny sary naparitaka tany amin’ny tambajotran-tserasera.

Laisser un commentaire