Actualités

Etats-Unis : Fitadiavana sori-piainan’olombelona, manakaiky ny toerana alehany ny “astromobile” Perseverance-n’ny NASA.

Hanandrana hipetraka amin’ny planeta Mars, ny alakamisy 18 febroary ho avy izao ny “astromobile” mitondra ny fitaovana entina hitiliana, antsoina hoe Perseverance an’ny NASA. Efa ho fito volana izao ity fitaovana ity no nandeha nitady sori-piainan’olombelona teny amin’ny habakabaka. Ny faran’ny volana jolay 2020 no niainga tao Floride ity “astromobile” ity. Ho voahositra ho fitaovana fitiliana fahadimy namita ny dia hatramin’ny 1997 ity “astromobile” mitondra an’i Perseverance ity, raha toa ka tonga soa aman-tsara eny amin’ny planeta Mars. Ny alakamisy amin’ny 20H30 GMT (23H30 eto Madagasikara) no hipetraka amin’ny tanin’ny Mars I Perseverance raha araka ny nambaran’I Ken Farley, manampahaizana amin’ity tetikasa ity.

Laisser un commentaire