ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mitaraina manoloana ny fomba fiasan’ireo rasazy sy mpanampy mpitsabo ny mponina

Mitaraina manoloana ny fomba fiasa sy ny fandraisana marary ao amin’ny toeram-pitsaboana fototra (CSB II) Sabotsy Namehana ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Miavona, tsy mandray araka ny tokony ho izy ary tsy manaja ireo olona marary mitady fitsaboana ireo rasazy sy mpanampy ny mpitsabo, araka ny voalaza.

“Mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra manoloana ny zava-misy ao amin’io toeram-pitsaboana io fa efa maro ireo izay nitaraina momba ny fomba fiasa sy ny fandraisana marary ataon’ireo dokotera ao an-toerana. Tsy araka ny andraikitra nampandraiketina tamin’izy ireo no fomba fiasa izay aseho ao anatin’ny toeram-pitsaboana. Mijaly ny marary ary tsy voahaja mihitsy ny zon’olombelona” hoy i Anjara, mponina ao Sabotsy Namehana.

“Misy amin’ireo olona tonga mila fitsaboana eto no miala maina, voatery mifindra toeram-pitsaboana hafa noho ny tsy firarahiana ataon’ireo mpitsabo. Izy ireo anefa maro no miasa eto fa saingy mijery ireo marary fotsiny, na tsy mandray an-tanana na hita fa vonjimaika ireo ratra mahazo ny marary” hoy i Ando, mpitondra marary.

Ao anatin’ny zo tokony ho sitrahan’ny olombelona iray ny ho sitranina sy ho salama. Miainga amin’ny fandraisana andraikitry sy ny fahafezana ny asa atao anefa no ahafahana manome izany ny olona iray ary manana adidy amin’izany ny mpitsabo. Ilaina ny fifampitaizana eny amin’ny fiaraha-monina, ilaina ihany koa ny fiaraha-mientana mba hanoherana ireo tsy rariny isan-karazany.

Laisser un commentaire