Doro ala : Ambany ny tahan’ny ala may raha oharina tamin’ny taona lasa
« Mbola tsy azo lazaina ho betsaka raha ny ambaran’ny olona anatin’ny tamban-tserasera ny doro ala misy eto Madagasikara », raha ny nambaran’i Haingosoa Hortencia, minisitra lefitry ny ministera misahana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Ambany lavitra noho ny tahan’ny doro ala nisy tamin’ny taona lasa ny amin’izao fotoana. Tamin’ny taona 2020, nahatratra 152 000 ny doro ala nisy. Mbola tsy voafaritra hatreto ny velaran-tany sy ny isan’ny fiaingan’ny afo niseho nandritra ny fotoana nahamaina ny andro tamin’ity taona ity. Efa misy ezaka goavana entin’ny ministera arak’izany ho fisorohana ny doro ala diso tafahoatra. Eo ihany koa ny mahakasika ny fambolen-kazo izay vahaolana maharitra napetraka hatreto.
Misy fanaraha-maso manokana ataon’ny eo anivon’ny ministera ho fisorohana ny fandoroana ala ataon’ny olona. « Ny fanentanana no tena atao ary ampiasana tekinika manokana izany mba hahombiazany », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministera. Tanjona amin’izany ny fambolen-kazo, ny fanajana ny ala ary ny fahaizana mikojakoja izany. Na izany aza, mbola manjaka ihany ny doro ala, misy minia manao izany mihitsy. Vokany, maina ny tany, tsy misy orana, tsy misy rano, miha-midangana ny hafanana. « Tokony mandray fepetra manokana ny fanjakana amin’ireo olona mahasahy mandoro tanety ireo fa efa maro loatra toerana may eto amintsika », hoy Tojo, olon-tsotra.
Efa nanomboka tamin’ny volana oktobra lasa teo ny fanamafisana ny fambolen-kazo ho fandrakofana ala an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fambolena eny amin’ny sisin’ny lalam-pirenena izany aloha amin’izao fotoana. 40 000 hektara ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena amin’ny tany hambolena hazo. Fa ho atao fanamby indray ny hamboly hazo amin’ny velaran-tany 150 000 hektara isan-taona. Teti-bola 2022 voafaritry ny fanjakana no hampiasaina amin’izany. Hosokafana amin’ny janoary 2022 kosa ny fotoam-pambolen-kazo eto Madagasikara.
Andy Rafidimanana
