Commune Alakamisy Anativato : Fizarana kara-tany faobe
Vita ireo kara-tany faobe tamin’ny hetsika OCFM tao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato, Distrikan’i Betafo. Hozaraina izany ny alakamisy 22 septambra ho avy izao ka 4 000 ar ny sarany ho an’izay tany misoratra amin’ny lehilahy, ary 3 000 ar kosa raha vehivavy. Efa mivoaka amin’ny peta-drindrina eny anivon’ny kaominina ny anaran’ireo izay nahazo izany kara-tany izany.
« Natao indrindra izao hetsika karatany faobe izao mba hanamora ny fiarovan’ny mponina ny taniny ary indrindra hanamaivana azy ireo amin’ny fivezivezena noho ny taratasy maro izay tsy maintsy ilaina rehefa hangataka kara-tany ». Hoy ny avy ao amin’ny OCFM. Tokony hisoratra amin’olona iray ny tany iray rehefa nampiasaina, mba ahafahana manamarina fa tompony izy. Sarotra anefa, sady mandany vola be ny manao izany ka izany no mampihemotra ny olona hanoratra ny taniny noho izany dia velom-pisaorana izy ireo amin’izao hetsika izao. « Soa fa nisy ity fizarana karatany faobe ity mba ho ara-dalàna ny taninay sady mba tsy lany fotoana sy vola be mivezivezy etsy sy eroa » hoy i Lanto, mpisitraka ny fizarana karatany faobe ao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato.
Tsy ao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato irery ihany fa mbola maro ireo toerana ahitana mpamboly maro kanefa tsy mbola manana izany karatany izany. Tokony tohizana amin’ny faritra maro ny hetsika toy itony.
Miora Raharisolo
