Nosy Be : Lehilahy iray maty voafira antsy, iray hafa tsaboina any amin’ny hopitaly
Nasiana ny mpitandro filaminana teto amintsika mba hametraka izay fandriam-pahalemana izay. Samy manana ny asany ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka satria ny vahoaka no mitatitra ny zava-misy mahazo azy any ampin’ny mpitandro filaminana, ary ireto farany no manao ny fanadihadihana sy mihevitra izay tokony hatao. Tsy vahaolana araka izany ny fitsaram-bahoaka, sady tsy eken’ny lalàna rahateo izany satria efa napetraka ny fitsarana eny anivon’ny tribonaly.
Nahita lehilahy iray tsy misy aina intsony manko ny mponin’ny Dzamandzar Nosy, teo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny orinasa Sirama Be, ny 1 jolay lasa teo. Voafira antsy teo amin’ny lohany sady nototaina vato ity lehilahy ity. Nisy lehilahy iray hafa ihany koa voatsatok’antsy ary tsaboina any amin’ny hopitaly ankehitriny. Mpianamana izy roa lahy ireto hoy ny manodidina ary naira-nifety izy ireo niaraka tamin’ny namany maromaro ny 26 jona lasa teo ka raikitra ny adiady ary nisy naratra mihitsy. Nitory tany amin’ny zandary anefa ity naratra kanefa nokasaina haravona ny 1 jolay maraina ny disadisa teo amin’ny roa tonta hoy ny zandary tany an-toerana.
Tsy nahandry ny mpitory sy ny namany ka namaly faty avy hatrany ka namira antsy azy roalahy. Tezitra, noho izany, ny fokonolona ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka an’ireo namono saingy tonga ny manam-pahefana nampitony ny toe-draharaha. Lehilahy iray ahiana ho isan’ny nahavanon-doza nosamborina ary hatao famotorana. Samy zanak’i Toliara avokoa na ireo lasibatra na ireo nifanandrina tamin’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo. Tsara ihany ny mametraka ny raharaha eo am-pelatanan’ny manam-pahefana mba hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary tsy hisian’ny fitomboan’ny maty sy ny maratra tahaka ity tranga ity.
Nicole Rafalimananjara
