ActualitésTsidika

Tsy hisy ny fandroahana mpiasa eo anivon’ny Paositra

Nivoaka ny feo fa hanao « privatisation » na handroaka mpiasa ny eo anivon’ny Ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra. Nanome fanazavana mikasika izany anefa ny sekretera jeneralin’ny Minisitera, Ranesa Firiana, ary nandiso tanteraka ny tsaho nivoaka. Misy ny fandinihana ny fanatsaràna sy ny fanavaozana ny satan’ny paositra Malagasy ankehitriny  fa tsy midika akory izany fa ho atao ny « privatisation » sy ny fandroahana ny mpiasa hoy hatrany ny fanazavan’ity sekretera Jeneraly ity.

Tsy misy ny fanapahan-kevitra na lalàna noraisina hatreto momba ny paositra fa mbola ao anatin’ny fandinihana izy ireo  ka izany no antony mahatonga ireo mpiasa sasany mitokona ankehitriny hoy hatrany izy. Izany tokoa ve anefa no tena mampitokona ireto mpiasa sa ny feo mivoaka fa hisy ny fandroahana ? Ilaina ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta manoloana ny olana misy mba hirosoana amin’izay tokony ho atao. Nampitandrina ny mpiasa rehetra ny avy eo anivon’ny paositra Malagasy mba tsy haneken’ireo mpiasa ny ho atao fitaovana entina hanakonana ny zava-misy marina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire