Tafatsangana ny Ozinina goavana fanodinana ny mangahazo ao Ambovombe Androy
Efa eo an-dalam-panatanterahana ireo tetik’asa any Atsimo isika eto Madagasikara amin’izao. Raha ireny vina sy tetik’asa nolazaina ireny no tena tanteraka dia hahitana fandrosoana ihany ny any Atsimo izay efa nijaly an-taona maro hoy ny mpianatra mpikaroka iray eny anivon’ny anjerimanontolo. Vita ankehitriny aloha ny Ozinina lehibe fanodinana mangahazo ho lasa GARI na « farine de manioc » ao Beabo.
Foto-drafitr’asa izay hamaly ny filan’ny vahoaka any Atsimo iray manontolo ho entina hanomezana tohana ara-tsakafo ny vahoaka rehetra sy ny sekoly hametrahana vahaolana maharitra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny Jono. Azo antoka ny lalam-barotra, hisy vidiny ny mangahazo ary hisitraka izany mivantana ireo mpamokatra sy kaoperativa hoy ny mpitantana ny tetik’asa.
Ho fampandehanana ny asa dia hampiasa tanora an-jatony any ifotony izao fandaharan’asa izao ka hitondra fanoitra sy ainga vao ho an’ny toe-karen’ny Faritra, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Governoran’ny Faritra Androy. Ny fandaharan’asa DEFIS avy ao amin’ny Minisiteran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono no tompon’antoka tamin’ny fanatanterahana ny asa.
Nicole Rafalimananjara
