ActualitésTsidika

Mikarakara fifaninana ny eo amin’ny fikambanan’ny firenena miteny Frantsay

Anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany hatrany no hanatanterahina izany fifaninana izany. Ireo firenena miteny Frantsay ihany no afaka mandray anjara amin’izany. Anisan’izany i Madagasikara, Maurice, Seychelles, Comores, Mayotte, Réunion sy ireo firenena hafa ao anatin’izany vondrona izany.

Toy izao manaraka izao kosa ny fepetra tsy maintsy arahin’ireo mpandray anjara : lahy na vavy feno taona, izany hoe raha ho an’ny eto Madagasikara manokana dia tsy maintsy mihoatra ny 18 taona. Ny sakafo mampalaza ny firenena, ny fanajana ny tontolo iainana, ny kolotsain’ny firenena, ny trano fizahan-tany maharitra ary ny traikefan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo no foto-kevitra isafidiana. Ferana ho ao anatin’ny iray minitra ny fampahafantarana atao manoloana izany.

Varavarana misokatra ho an’ireo tanora milona amin’ny sehatry ny fizahan-tany izao antso fifaninana karakaraina iraisam-pirenena izao. Dingana iray ahafahana mamaritra ny traikefa manoloana ireo firenena mpifaninana. « Manentana ireo tanora rehatra handray anjara. Tsotra sady mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fisoratana anarana amin’izany. Ny loka ho zaraina anefa marobe » hoy i Miandra, tompon’andraikitry ny orinasa iray, misehatra amin’ny fizahan-tany.

« Vonona ny hanampy ireo tanora maniry ny handray anjara izahay, afaka manome fampianarana ny fampiofanana fohy ihany koa izahay » hoy i Patrick, mpampianatra mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia. « Miantso ireo tanora manan-talenta amin’ny fikirakirana ny teknolojia sy ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany andray anjara amin’izany. Rehefa amin’ny fotoana toy izao dia tsy ny fandresena amin’ny fifaninana no zava-dehibe fa ny finiavana hananana fivoarana amin’ny sehatra izay sahaninao » hoy i Jerry, tompon’andraikitra eo amin’ny minisiteran’ny fizahan-tany. Fotoana iray hampisehoana ny hakanton’ny Nosy Malagasy sy ny fahaiza-manaon’ireo tanora Malagasy manerana izao tontolo izao ity fifaninana ity.

Anisan’ny paik’ady iray hampandrosoana sy hanarenana ny lafiny fizahan-tany ivelany ihany koa izao fifaninana izao. Hisolo tena ny vahoaka manontolo izay mpandray anjara eto Madagasikara, ny voninahi-pirenena no eo an-tanany noho izany. Amin’ny anaran’ny firenena Malagasy no hijoroany manoloana ny firenena maneran-tany izany miteny Frantsay. Tombony lehibe ho an’ny firenena ny fijoroan’ny tanora Malagasy mandray anjara amin’izany koa takiana ny hanampiana azy ireny.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire