Etats-Unis : Efa nanomboka ny fanazaran-tenany i Mark Zuckerberg sy Elon Musk
Ho raikitra tokoa ve ny fifandonana eo amin’i Mark Zuckerberg sy Elon Musk amin’ny alalan’ny ju-jitsu brésilien ? Hatreto dia mbola tsy nisy nanamafy izany izy ireo saingy efa samy manao fanazaran-teny. I Lex Fridman, fehikobo maintin’io taranja io no nandefa horonantsary tamin’ny tambajotra sosialy nahitana azy nanazatra ireo mpanefoefo roa ireo.
Raha tsiahivina dia fanatanjahantena efa fanaon’i Mark Zuckerberg ny ju-jitsu brésilien ary nahazoany amboara nandritra ny fifaninana iray izany ny volana may teo. Nilaza kosa i Lex Fridman fa mahafinaritra azy ny mahita azy roa lahy ireo mivonona hifanandrina amin’io haiady io ary nilaza izy fa mbola hanazatra azy ireo ao anaty volana maromaro.
Ny alarobia teo koa i Lex Fridman no nanazatra an’i Elon Musk tao amin’ny trano fonenany ary manana hery sy fahaizana ihany koa io tompon’ny Tesla io, hoy izy.
