Ambohimanambola: Hita taratra ny fahavononan’ireo mpanala fanadinana BEPC
Manomboka anio, alatsinainy 03 jolay no hanatanterahana ny fanadinana ara-panjakana faharoa, ataon’ireo taona fahasivy (BEPC). Vonona tanteraka ireo mpiadina, raha ho an’ny tao amin’ny CEG Ambohibato, Ambohimanambola.
“Hita taratra ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana BEPC. Anisan’ny nanampy tosika sy nanohana azy ireo ara-tsaina na ara-moraly ny faradoboka izay nanomezana azy ireo ny torolalana farany enti-miatrika ny fanadinana” hoy ny avy amin’ny fikambanana Mitia-Soa.
“Ireo mpampianatra sy mpanabe no hisaorana voalohany indrindra amin’ny fikolokoloana sy ny fampianarana atolony ho an’ireo ankizy ireo. Raha tsy teo izy ireny dia zava-poana ihany ary tsy misy ny fahaizana sy fahalalana azon’ny mpianatra” hoy i Henintsoa, mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fampianarana.
Mandritra ity fanadinana ity, ny taranja Malagasy moa no nisantatra izany ny alatsinainy maraina izao. Ny taranja anglisy kosa no hamarana izany ny alakamisy maraina ho an’ireo sokajy A, raha toa ka tapitra ny alarobia hariva ny an’ny sokajy B.
Manitra R.
