Tsidika

Foibe Akamasoa Antananarivo: Tafatsanagana ny trano fandraisam-bahiny “ Hostel Père Pedro”

Nahafantarana ny foibe hatramin’izay ny fandraisana sy fanampiana ary fiahiana  fianakaviana  maro isan-karazany. Nanomboka ny taona 1983 no nanorina azy ity i Père Pedro izay mbola mpitodra sy mpiahy azy fikambanana  ankehitriny. Efa tanana lehibe ankehitriny ny Foibe Akamasoa satria efa ahitana trano fonenana maro, toeram-pitsaboana , toeram-pianarana sy fanofanana ary efa misy ihany koa amin’izao fotoana izao ny toeram-pandraisam-bahiny.

Raha ny fanambarana dia maro ireo mpizahan-tany tonga mitsidika ity toerana misy ny Akamasoa ity ka izay no antony nanangana toerana ahafahana mandray vahiny eto.  Toerana  fandraisam-bahiny mahavaly ny filana fototr’ireo mpitsidika no natsangana ka ahitana trano fatoriana , fisakafoana ary  ny toerana fialana voly. Fanampin’izay dia misy isan-karazany  ihany koa ny trano fandraisana, ao ny ho an’olon-tokana na olon-droa ary ao  ny natokana ho an’ny fianakaviana sy ny trano be fatoriana.

Nanambara ihany koa ny avy ao amin’ny Akamasoa fa manoloana izao fidiran’ity foibe ity amin’ny sehatry ny fizahantany izao dia nisafidy hivohy ny “Fizahantany Ekolojika” izy ireo. Araka izany dia miodina 100% amin’ny Angovo azo avy amin’ny Masoandro ity hotely ity ary fehezina ny resaka fako sy ny rano maloto rehetra ao. Nanamafy izy ireo fa ny vola rehetra mioditra amin’ity toeram-pandraisam-bahiny ity dia atolotra manontolo hanodidianana ny Akamasoa.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire