ActualitésTsidika

Association Fanampy :  Miorina amin’ny asa fanasoavana ny fiarahamonina

Zava-dehibe eo amin’ny faritra iray ny fisian’ny fikambanana samihafa, izay misehatra amin’ny fiainan’ny mponina mivantana. Miezaka hatrany noho izany ny tanora ao anatin’ny  fikambanana mba hanampy ny mpiara-belona. « Hizara sy hanampy ny hafa aho ho marika ny fifankatiavana », io ny tarigetra entina hanasoavana ny mpiara-monina. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny maha olona ny fikambanana. Ny tanora dia anisan’ny andry hiankinan’ny firenena.Tokony handray anjara mavitrika amin’ny fanaovana asa soa izy ireo. « Dingana lehibe hotratrarina ao anatin’ny fikambanana ny hanamaivana ny fahasahiranan’ny olona. Fototra hiorenan’ny soatovina malagasy ny fifanampiana, ezahanay araka izay tratra izany », hoy i Ranaivoson Erwan Elysé, filoha mpanorina ny fikambanana.

Miha sarotra ny fiainana ankehitriny ka ilaina ny mifanatona. Mila mifampihaino ny tsirairay mba hamahana ny olana mahazo ny mpiara-belona. Raha ny eo amin’ny sehatra ny fanabeazana ohatra dia mbola maro ireo olana sedraina. « Mahafaly ny mahita ny tanora mandray andraikitra toy izao. Mifampizara amin’ny mpianatra ny fahaizana sy ny fahalalana izy ireo. Izany anefa dia ataon’izy ireo maimam-poana. Mahavelom-bolo ny mahita azy ireo izay tena misehatra amin’ny fiainan’ny firenena. Aoka mba tsy hijanona amin’izao lafiny fanabeazana izao ihany fa hisandrahaka amin’ny lafiny maro izao fanampiana izao. », hoy ny tale ny fampianarana ao amin’ny CEG, Tanjombato.

Tsy natokana hoan’ny fikambanana ihany ny hanome fanampiana Ny tsirairay dia tokony hitondra ny anjara birikiny avy amin’ny fanasoavana ny manodidina. Samy manana ny anjara asa lehibe eo amin’ny famerenana ny soatoavina malagasy ny olom-pirenena tsirairay. Raha samy miezaka mamerina ny fomba fiainan’ny Ntaolo mantsy isika izao dia hiverina tsikelikely ny fanajana sy hanjaka eto indray ny fifanampiana.

Erwan Ran

Laisser un commentaire