Toetr’andro: Vinavinaina hiverina ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika i Freddy
Dépêche 14 mars, 13h, Raha ny vinavina avy ao amin’ny tranonkalan’ny cycloneoi dia mety hisy fiverenana ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika i Freddy. Ho kely anefa ny heriny ary tsy hatahorana hivadika ho rivo-doza saingy mety hisy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara toy ny fitombon’ny rotsa-korana. Ho voafaritra ao anatin’ny andro vitsivitsy izany toetr’andro izany. Arahi-maso akaiky izany fiovan’ny toetr’andro izany raha mety hisy orana manerana ny Nosy hanomboka ny alarobia izao. Araho tsy tapaka hatyrany ny fampahalalam-baovao.
