Fambolena: Hitombo avo roa heny noho ny tamin’ny taona lasa ny vokatra katsaka amin’ny taona 2027
Raha namokatra katsaka 266 700taonina i Madagasikara tamin’iny taona 2022 iny dia vinavinaina hitombo avo ro heny izany vokatra izany ho amin’ny taona 2027. Raha nokajiana ny tamin’ny taona 2018 dia 215 000taonina ny vokatra ka 4 taona taty aoriana dia nahitana io fiakarana ion y famokarana. Efa maro ny hetsika hato amin’izao fotoana hahafahana manatratra io tanjona io ary efa mampiasa izany teknika izany avokoa ny ankamaroan’ireo tantsaha manerana ny nosy.
“Misy ny drafitra izay napetraka tokony harahin’ny tantsaha tsirairay. Ao anatin’izany ny fifanarahana dia mampandroso ny fampielezana ny fomba famokarana tsara, miaraka amin’ny famokarana masomboly sy ny fanamafisana ny ady amin’ny kankana. Ity drafitra ity ihany koa manamora famokarana amin’ny alalan’ny fitaovana famokarana sy ny fampiroboroboana ny kaoperativa momba ny fambolena. Eo koa ny fandaharan’asa momba ny fampivondronana ara-pambolena eo amin’ny mpandraharaha ara-toekarena sy ny mpamokatra”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Tsara ny manamarika fa efa maro ireo toerana nanaparitahana maimaim-poana ny masomboly sy ny zezika isan-karazany hahafahana mamokatra betsaka sy haingana. Manalbara anefa ireo manam-pahaizana mahakasika ny fambolena, ary manohitrta ny fampiasana ireny zezika ireny, “zezika simika manimba tany, mamokatra izy amin’izao fotoana izao fa rehefa aoriana kely ao dia ho lao ny tany ka tsy azo ampiasaina intsony. Tsy mahakasika ny katsaka irery ihany anefa izany fa mahakasika ny fambolena rehetra mihitsy. Tokony vahaolana hafa no haroso toy ny fampiroboroboana ny zezi-pahitrta sy ny fanomezana fakana aina kely ireny tany ireny”.
Ny tantsaha rehetra araka izany no tokony hahay handanjalanja ny fitaovana sy ny vokatrta hampiasaina amin’ny tany tsirairay hahafahana mahatratra io tanjona io ary indrindra hahafahana mitazona io tarehimarika io ho miabo hatrany.
Miora Raharisolo
