Miandahy miambavy ny fangalarana.
Mirongatra ny halatra manerana an’i Madagasikara. Tsy ampy ve ny asa sa kamo hiasa na hitady fotsiny tsotr’izao? Ny halatra mantsy no ahazoam-panana vetivety. Miandahy miambavy mihitsy ity sehatra ity. Efa miezaka hatrany anefa ny mpitandro ny filaminana mihaza azy ireny. Tovovavy miisa telo izao no tra-tehakin’ny mpitandro filaminana tany Sambava. Izy telo vavy ireto izay manao ny asa ratsy toy ny fangalarana entana amin’ny tsena. Efa ela no tsikaritra ny fisian’izy ireo noho ny fitarainana ataon’ireo mponina lasibatra. Nanomboka narahi-maso hatry ny ela fa izao vao tratra ambodiomby. Tsy sambany akory izao asa ratsy izao fa saika efa tapitra notetezin’izy ireo avokoa ny tsena ary tsy mifidy entana angalarina. Ny finday raitra no tena lasibatra amin’izany. Vehivavy izay lazaina fa ravakin’ny lalana kanefa izao no ataony. Mitondra ny firenena any amin’ny faran’ny lalina satria mandripaka izay mba hany fananan’ny vahoaka. Andry iankinan’ny tokatrano sy fitaratra ho an’ireo zanaka amam-para ny vehivavy. Raha ho toy izao foana anefa, hanao ahoana ny hoavin’ireo taranaka, raha izao no fanabeazana hitany ?
Nicole Rafalimananjara
