PolitiqueTsidika

Fanovana ministra : Tsy araka ny nandrasan’ny mpanohitra

Voatendry ho Minisitry ny fanatanjahan-tena indray i Tinoka Roberto. Efa teo amin’io toerana io izy teo alohan’ny naha Minisitry ny fitaterana, azy ary izao naverina ao izao indray. Inona no tena antony tsy hanesorana azy ao amin’ny Governemanta mihitsy ? Ny fahaizany sy ny fahafehezany ny sehatra iasany tokoa ve ?

Betsaka ny fanehoan-kevitry ny olona mikasika azy taorian’izao fanendrena azy izao indray. « Mbola maro ny olona hafa manan-traikefa eto Madagasikara. Tsy lany manam-pahaizana akory isika. Nahoana no tarehin’olona mitovy foana no averimberina eo. Tsy fanandrakandramana akory ny firenena fa fiainam-bahoaka io, fandrosoana no ilaina. Tsy nahafehy ny asany matoa noesorina tao amin’ny fanatanjahan-tena teo aloha kanefa izao mbola naverina izao ao indray » hoy Njaratiana, raim-pianakaviana naneho ny heviny tao amin’ny tambajotran-tserasera. « Tsy fampandrosoana loatra no tena misy eto amin-tsika fa ady seza sy fahefana ary voninahitra. Eo ihany koa ny fahatahorana ny olona iray mahafanta-javatra. Efa noesorina tao amin’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena noho ny tsy fahombazany ka natao tany amin’ny fitaterana. Mbola naverina indray mba tsy hahomby hatrany ao amin’ny fanatanjahantena » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra.

Ilaina ny ezaky ny tsirairay, tsy hikely soroka ary hanavao hatrany ny fomba fiasa mba hanatsarana ireo zava-bita sy ireo izay mbola hotanterahina. Ny fitiavan-tanindrazana, ny fanasoavana ireo mpiray tanindrazana sy ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena hatrany no aoka hibaiko sy hanosika anareo amin’ny asa fanantaterahana ny adidy masina miandry anareo » hoy kosa ny Filoham-pirenena teo am-pandraisana azy ireo. Ministra isan’ireo nanao lesoka vao andro vitsivitsy izay mikasika ilay tsy azo itondrana valizy misy kodiarana kanefa mbola nomena fahefana ihany. Fianakaviana sa namana sa mahafantatra tsiambaratelo sa olona tena vonona hampandroso ny firenena tokoa ? Inona no tena tsiambaratelony ? omena fahefana ihany. Fianakaviana sa namana sa mahafantatra tsiambaratelo sa olona tena vonona hampandroso ny firenena tokoa? Inona no tena tsiambaratelony?

Laisser un commentaire