Toliary : Vehivavy bevohoka 8 volana tsy nahatsiaro tena novonoin’ny vadiny
17 Martsa, 10h00. Vehivavy iray mitondra vohoka 8 volana no niharan’ny herisetra nataom-badiny ny 15 martsa teo tao amin’ny fokontany Ankemba Ambony, distrikan’i Toliary. Tsy nahatsiaro tena tao anatin’ny 24 ora izy rehefa novelesin’io vadiny io ny kibony. Nisy tsy fifanarahana teo amin’izy mivady raha ny fantatra. Vadikely fahadimy moa ity farany raha ny voalazan’ny olona tsara sitra-po nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Milaza hametraka fitoriana kosa fianakavian-dravehivavy.
