Ambohitrimanjaka : Vehivavy iray maty tsy tra-drano noho ny lozam-pifamoivoizana
17 Martsa, 11h00. Nitrangàna lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlan’ny Digue mihazo an’Ambohitrimanjaka ny harivan’ny15 martsa teo. Kodiaran-droa iray no nifandona tamin’ny fiara vaventy iray. Nahafaty ilay vehivavy nitaingina tao aoriana izany ary naratra mafy kosa ilay lehilahy namily ilay kodiaran-droa. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboana moa ny tenany. Marihina fa avy ny orana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
