Toetry ny andro: Mbola hitohy ny andro ratsy
18 Janoary, 10h42. Nitondra voka-dratsy maro teto amin’ny faritra afovoantany ny orna nikija nandritra ny ora fito ny alin’ny 17 janoary hifoha ny 18 janoary. Vokany : amin’ireo faritra manodidina ny renivohitra, dibo-drano ny tanim-boly, potika ny vokatra, miakatra ny rano. Teto Andrenivohitra hatrmin’ny marina teo dia mbola hita tondraka ihany ny rano indrindra amin’ireo faritra iva tahaka an’Ampefiloha, Anosy, Andravoahangy, Besarety, sns … Maro ireo làlana tapaka noho ny fahasimbana fa nisy ihany koa ny aina nafohy noho ny fihotsahan’ny tany. Raha ny nambaran’ny teo anivon’ny sampan mpamantatra ny toetry ny andro dia mbola hitohy ny 18, 19 ary 20 janoary izao izany andro ratsy izany ary ahiana ny hivadian’izany ho andro ratsy ny faran’ity heriandro ity. Voakasik’izany manokana ny morontsiraka Avaratra-Andrefana, Vatovavy Fitovinany, Mahanoro ary Vatovamandry ny 18 janoray izao. Mila mivonona manoloana ny fiakaran’ny rano noho izany ireo faritra iva ary mitandrina amin’ny mety hisian’ny fiotsahana amin’ireo efa voafaritra ho faritra mena.
