Dépêches

Hisy ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena

29 Septambra, 09h12. Kaomiseran’ny varotra miisa 147 sy mpanara-mason’ny varotra miisa 330 no hiparitaka manerana ny tsena rehetra manomboka androany 28 septambra, hanara-maso ny fanajana ireo fetram-bidin’entana napetraka iray volana latsaka izay. Tsy mitovy amin’ny fomba fiasa nisy hatramin’izay izao fanaraha-maso izao hoy ny minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard, satria raha sendra mahita trangana vidin’entana mivoana amin’ny fetra napetraka ireo iraka ireo, avy hatrany izy ireo dia manao fanadihadiana.

Laisser un commentaire