CIRGN Mahajanga
16 Martsa, 11h00. Manoloana ny valan’aretina miparitaka any Mahajanga, nanapakevitra ny filoha mpitantana “ Colonel Jean Phillippe” fa hampiato ireo lalao ara-panatanjahan-tena any an-toerana. Hoferana ihany koa ny isan’ireo olona mifamezivezy matetika ao amin’ny toby. Etsy ankilany, hotohizana ny fanondrahana fanafody isan-kerin’andro. Hatsahatra avokoa ireo asa tsy laharam-pahamehana ao amin’ny toby aloha. Efa misy ihany koa ny fanomezana fiofanana ara-pahasalamana ireo zandary raha tojo ahiahy amin’ny valan’aretina izy sy ny ankohonany.
