Asan-dahalo tao Sakaraha
16 Martsa, 10h00 Tao aorian’ny fifanenjehana teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona ary ny miaramila, tafaverina tamin’ny tompony ny omby 13, izay tao amin’ny distrikan’ny Sakaraha, fokotany Ambatomainty. Ny 11 Martsa lasa teo izany no tafaverina soamatsara. Dahalo 2 kosa no voasambotra, ary mbola eo am-pikarohana ny namany ireo miaramila any an-toerana
