Ilaina ny fanamboarana ireo toerampamatsiandrano.
Mamaha ny olan’ny mponina maro ny fampitomboana ireo toerana famatsian-drano eto an-drenivohitra. Efa hita ihany koa ankehitriny ireo vahaolana hatolotry ny orinasa Jirama. Anisan’izany ireo toerana fitondrana rano lehibe any amin’ireo toerana tsy tongan’ny rano sy tsy misy matetika. Na mbola tsy mahasahana ny olona maro eto Antananarivo aza ny ezaka hataon’izy ireo, hita fa misy ihany ireo olona misitraka tsikelikely izany. Antony lehibe miteraka olana ankehitriny ny fahanteran’ny milina mamokatra rano. Vokatr’izany indrindra no mahatonga ny famatsiana mitarazoka eto an-drenivohitra. Tsiahivina mantsy fa i Mandroseza no toby voalohany mamatsy rano ny mponin’Antananarivo renivohitra. Eo indrindra araka izany no tokony hanombohana ny asa mialoha. Tanjona amin’izany ny hisian’ny firoboroboan’ny fisitrahana rano fitsotro eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy araka izany ny foto-drafitr’asa fanatsarana ny famatsian-drano izay hataon’ny minisitera mpiahy ankehitriny. Natao ny fitsidihana azy ireo ny asabotsy 13 martsa 2021 lasa teo. Hita fa hatsaraina ireo tobim-pamokaran-drano mirefy hatrany amin’ny 40 000 m3. Tokony hatao mandritra izany ihany koa ny fanadiovana sy fanitarana ireto toby ireto mba hialana amin’ny olana izay saiky mapimenomenona ny mponina maro. Tsy misy afatsy ny fanavaozana azy ireny ihany mantsy no vahaolana ho amin’izany. Etsy ankilany koa anefa, tsy mitsaha mitombo ny mponina eto an-drenivohitra; mila mitady vahaolana mifandraika amin’izay hatrany izany ny fitondram-panjakana. Ny vahoaka ihany koa no tokony ho sarotiny sy hiaro voalohany ireny fitaovana iombonana ireny, mba hialana amin’ny fahasimbana mialoha. Ho lovain-jafy mantsy ny ezaka tahaka itony.
Fanilo Rarivoarilala
